-
Levitikosy 24:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Asaivo mitondra menak’oliva tsy misy fangarony avy amin’ny oliva voatoto ny Israelita, mba hatao amin’ny jiro. Amin’izay dia hirehitra foana ny jiro.+ 3 Eo anoloan’ilay ridao eo akaikin’ny Tenin’ny Vavolombelona, ao amin’ny tranolay fihaonana, no hikarakaran’i Arona ny jiro, mba hirehitra foana eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, manomboka amin’ny hariva mandra-paharainan’ny andro. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo rehetra.
-
-
2 Tantara 13:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Manolotra fanatitra dorana mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah izy ireo isa-maraina sy isaky ny takariva,+ sady mandoro emboka manitra.+ Alamin’izy ireo eo ambony latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony koa ny mofo mifanaingina.*+ Dia ampirehetin’izy ireo isaky ny takariva ny jiro+ eo amin’ny fitoeran-jiro volamena.+ Manao ny andraikitray amin’i Jehovah Andriamanitray mantsy izahay, fa ianareo kosa efa nahafoy azy.
-