-
Levitikosy 5:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha*+ no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana nataony. Tsy hampiany menaka ilay izy na hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny, satria fanatitra noho ny ota izany.
-
-
Nomery 5:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 dia hoentin’ilay lehilahy any amin’ny mpisorona ilay vehivavy, ary hoentiny miaraka aminy koa ny fanatitra aterin’ilay vehivavy, izany hoe lafarinina ampahafolon’ny efaha* vita amin’ny vary orza. Tsy horarahany menaka eo ambonin’ilay izy sady tsy hasiany ditin-kazo manitra, satria fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro izany, dia fanatitra ahafantarana raha nisy fahadisoana tokoa na tsia.
-