-
Levitikosy 4:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ny ra sasany dia hahosotr’ilay mpisorona eo amin’ireo tandroky ny alitara fandoroana emboka manitra,+ izay eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin’ny ran’ilay omby dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana,+ eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.
-
-
Levitikosy 8:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia nentin’i Mosesy ny omby atao fanatitra noho ny ota. Ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.+ 15 Dia novonoin’i Mosesy ilay omby, ary nakany tamin’ny rantsantanany iray ny ra,+ ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara teo amin’ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin’ny ota ny alitara. Fa ny ambin’ilay ra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy. Amin’izay dia azo anaovana sorona ho fandrakofam-pahotana eo amboniny.
-