4 Dia nankeo anatrehan’i Eleazara+ mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny mpiadidy izy ireo, ka niteny hoe: “I Jehovah efa nandidy an’i Mosesy hanome anay lova hoatran’ny nomeny an’ireo anadahinay.”+ Nomena lova hoatran’ireo rahalahin-drainy àry izy ireo, araka ny baikon’i Jehovah.+