FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 5:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “‘Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha*+ no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana nataony. Tsy hampiany menaka ilay izy na hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny, satria fanatitra noho ny ota izany. 12 Ary hoentiny any amin’ny mpisorona izany, ka hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ho santionany amin’ilay fanatitra,* ary hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany.

  • Levitikosy 6:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Lazao amin’i Arona sy ny zanany lahy hoe: ‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny ota:+ Eo amin’ny toerana famonoana+ ny fanatitra dorana no hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ny fanatitra noho ny ota. Zavatra masina indrindra izany. 26 Ilay mpisorona manolotra an’ilay fanatitra noho ny ota no hihinana an’ilay izy+ ao amin’izay toerana masina, eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara