-
Levitikosy 11:4-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “‘Tsy azonareo hanina anefa ireto biby mandinika na mivaky kitro ireto: Ny rameva satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy.+ 5 Toy izany koa ny bitrom-bato,+ satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy. 6 Toy izany koa ny bitrodia, satria mandinika izy saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo izy. 7 Toy izany koa ny kisoa,+ satria mivaky kitro izy sady misaraka tsara ny kitrony, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo izy. 8 Aza mihinana amin’ny henan’ireny na mikasika ny fatiny. Maloto aminareo ireny.+
-