-
Eksodosy 12:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hataonareo fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Tokony hankalaza azy io ianareo. Fitsipika tokony harahina foana izany.
-
-
Eksodosy 13:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary teneno amin’ny zanakao amin’izay andro izay hoe: ‘Noho izay nataon’i Jehovah tamiko tamin’izaho nivoaka avy tany Ejipta no anaovako an’izao.’+ 9 Ary ho famantarana eo amin’ny tananao izany sady ho fahatsiarovana* eo amin’ny handrinao,*+ mba tsy ho afaka am-bavanao ny lalàn’i Jehovah. Nampiasa herin-tsandry mantsy i Jehovah rehefa nitondra anao nivoaka avy teto Ejipta.
-