7 Nanao zavatra tsy nahafaly an’i Jehovah anefa i Era lahimatoan’i Joda, ka novonoin’i Jehovah ho faty. 8 Hoy àry i Joda tamin’i Onana: “Alaivo ho vady* ny vadin’ilay rahalahinao efa maty dia manaova firaisana aminy, mba hanomezana taranaka ho an’ilay rahalahinao.”+
5 Ary hoy i Boaza: “Amin’ny fotoana hividiananao an’ilay saha amin’i Naomy, dia tsy maintsy mividy an’ilay izy amin’i Rota Moabita vadin’ny maty koa ianao. Amin’izay mba tsy ho very anarana ny maty sady tsy ho very lova.”+
19 “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny lehilahy anankiray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an’ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.+