FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 20:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin’ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.’+

  • Josoa 10:11-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Raha mbola nandositra an’ireo Israelita izy ireo, dia nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra, teny amin’ny fidinana teny Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra raha oharina amin’ny matin’ny Israelita tamin’ny sabatra.

      12 Tamin’io andro io, tamin’i Jehovah namela ny Amorita ho resin’ny Israelita, no niteny tamin’i Jehovah teo anatrehan’ny Israely i Josoa hoe:

      “Ry masoandro, aza mihetsika+ eo ambonin’i Gibeona!+

      Ry volana, aza mihetsika eo ambonin’ny Lohasahan’i* Aialona!”

      13 Dia tsy nihetsika ny masoandro ary nijanona ny volana, mandra-pandresin’ilay firenena ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara ve izany?+ Tsy nihetsika teo afovoan’ny lanitra ny masoandro sady tsy maika hilentika, efa ho iray andro maninjitra. 14 Mbola tsy nisy andro hoatran’iny na tany alohany na tatỳ aoriany, ka hoe nihainoan’i Jehovah feon’olona.+ Niady ho an’ny Israely mantsy i Jehovah.+

  • Josoa 10:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Resin’i Josoa ny tany rehetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Negeba sy Sefela+ sy teny amin’ireo tehezan-kavoana ary ny mpanjakan’izy rehetra, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka ny zavamananaina rehetra,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+

  • Josoa 10:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Tamin’ny fotoana iray ihany no nandresen’i Josoa an’ireny mpanjaka rehetra ireny sy nahazoany ny taniny, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no niady ho an’ny Israely.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara