FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 24:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia hoy i Jehovah tamin’i Gada,+ mpaminany sady mpahita fahitana ho an’i Davida: 12 “Mandehana lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Omeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.”’”+

  • 1 Tantara 21:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hoy i Jehovah tamin’i Gada,+ ilay mpahita fahitana ho an’i Davida: 10 “Mandehana lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Omeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.”’”

  • 1 Tantara 29:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ary ny tantaran’i Davida Mpanjaka, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia voasoratra ao amin’ny asa soratr’i Samoela mpahita sy Natana+ mpaminany ary Gada+ mpahita fahitana.

  • 2 Tantara 29:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Nasain’i Hezekia nankao an-tranon’i Jehovah koa ny Levita tamin’izay. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa+ izy ireo, araka ny didin’i Davida+ sy Gada+ mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka ary Natana+ mpaminany. I Jehovah mantsy no nanome an’izany didy izany tamin’ny alalan’ny mpaminaniny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara