3 Tonga tany amin’ny mpanjaka tao Hebrona daholo àry ny anti-panahin’ny Israely. Ary nanao fifanekena tamin’izy ireo+ teo anatrehan’i Jehovah tao Hebrona i Davida Mpanjaka. Dia nohosoran’izy ireo ho mpanjakan’ny Israely i Davida.+
5 Nanjaka teo amin’ny Joda nandritra ny 7 taona sy tapany izy tao Hebrona, ary nanjaka teo amin’ny Israely rehetra sy ny Joda nandritra ny 33 taona tao Jerosalema.+