-
1 Tantara 21:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nandefa areti-mandringana+ teo amin’ny Israely àry i Jehovah, ka Israelita 70 000 no maty.+ 15 Ankoatra izany, dia nisy anjely nirahin’Andriamanitra handringana ny tao Jerosalema. Vao saika handringana anefa ilay anjely, dia hitan’i Jehovah izany, ka nanenina* izy noho ilay loza.+ Hoy àry izy tamin’ilay anjely nandringana: “Ampy izay!+ Ampidino amin’izay ny tananao.” Nijoro teo akaikin’ny famoloan’i Ornana+ Jebosita+ ilay anjelin’i Jehovah tamin’izay.
-