FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 4:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina* tsy nisy hoatr’izany i Solomona. Nomeny fo tena mahay manavaka koa izy, dia fahaiza-manavaka be dia be hoatran’ny fasika eny amoron-dranomasina.+

  • Ohabolana 2:3-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina koa ianao,+

      Ary manandratra ny feonao mba hahatonga anao hahay handinika,+

       4 Raha mitady an’izany foana hoatran’ny mitady volafotsy ianao,+

      Ary mikaroka an’izany foana hoatran’ny mikaroka harena miafina,+

       5 Dia ho azonao ny atao hoe fahatahorana an’i Jehovah,+

      Ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.+

  • Jakoba 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Koa raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra,+ satria malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny.*+ Dia homena azy izany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara