-
2 Mpanjaka 9:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Noraisin’i Jeho ny tsipìkany, dia notifiriny i Jorama ka voany teo anelanelan’ny sorony. Dia nigorobaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka, ka nianjera tao amin’ny kalesiny izy.
-
-
2 Mpanjaka 9:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Rehefa nahita an’izay nitranga i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, dia nandositra nanaraka ny lalana mankany amin’ny zaridaina lehibe.*—Tatỳ aoriana, dia nanenjika azy i Jeho, ka niteny hoe: “Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido ihany anefa izy, ka tany izy no maty.
-