24 Lasa mpanjaka i Joasy tamin’izy fito taona,+ ary nanjaka 40 taona tany Jerosalema izy. Zibia no anaran-dreniny, ary avy any Beri-sheba izy io.+ 2 Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Joasy, nandritra ny androm-piainan’i Joiada mpisorona.+