FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 12:3-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Mitenena amin’ny vahoakan’Israely manontolo hoe: ‘Samy tokony haka ondry+ iray avy ho an’ny ankohonan-drainy izy ireo amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity, izany hoe ondry iray isam-pianakaviana. 4 Raha vitsy loatra anefa ny iray trano ka tsy mahalany ondry iray, dia tokony hifampizara an’ilay izy ao an-tranony izy ireo sy ny mpifanila trano aminy, arakaraka ny isan’ny olona. Koa fantaro ny isan’ny olona sy izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5 Tokony ho ondrilahy herintaona ilay izy sady tsy misy kilema.+ Afaka mifidy ondrilahy na osilahy kely ianareo. 6 Karakarao tsara ilay izy mandra-pahatongan’ny andro faha-14 amin’ity volana ity.+ Dia hamono an’ilay izy amin’ny takariva* ny fiangonan’Israely manontolo.+ 7 Hakan’izy ireo ny ra ka hafafiny eo amin’ny tolàm-baravarana roa sy eo amin’ny tataom-baravaran’ny trano hihinanany an’ilay izy.+

      8 “‘Tsy maintsy hohanin’izy ireo amin’io alina io ny henany.+ Tokony hatsatsika eo ambony afo ilay izy, ary hohanina miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay*+ sy anana mangidy.+ 9 Aza misy hohanina manta ny henany na handrahoina amin’ny rano, fa tokony hatsatsika daholo hatramin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10 Aza misy tehirizina mandra-paharainan’ny andro ilay izy, fa dory izay sisa tsy lany ka tratran’ny maraina.+ 11 Hoatr’izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Efa mifatotra ny fehikibonareo,* ho eny an-tongotrareo ny kapanareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo. Dia hohaninareo haingana ilay izy. Paskan’i* Jehovah izany. 12 Fa hitety an’i Ejipta aho amin’io alina io, ka hovonoiko ny lahimatoa rehetra ao, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.+ Ary hampihatra didim-pitsarana amin’ny andriamanitr’i Ejipta rehetra aho.+ Izaho no Jehovah. 13 Ny ra no ho famantarana ny trano misy anareo. Ho hitako ny ra ka holalovako fotsiny ianareo, dia tsy handringana anareo ny loza rehefa mamely an’i Ejipta aho.+

      14 “‘Ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hataonareo fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby. Tokony hankalaza azy io ianareo. Fitsipika tokony harahina foana izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara