-
1 Mpanjaka 1:38-40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Dia nidina i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia+ zanak’i Joiada, ny Keretita, ary ny Peletita,+ ka nampitaingenin’izy ireo an’ilay ramolen’i Davida Mpanjaka i Solomona+ dia nentiny tany Gihona.+ 39 Nalain’i Zadoka mpisorona avy tao amin’ny tranolay+ ny tandroka nisy menaka,+ ka nohosorany ho mpanjaka i Solomona.+ Dia notsofina ny anjombona, ary niara-niredona ny olona rehetra hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!” 40 Niakatra nanaraka azy ny olona rehetra avy eo sady nitsoka sodina ary faly be, ka hoatran’ny hitresaka mihitsy ny tany noho ny kotaban’izy ireo.+
-