FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy.*+

  • Eksodosy 20:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy,+ fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.+ Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.

  • Deoteronomia 7:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Tokony hodoranareo ny sary sokitra ataony andriamanitra.+ Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny, na maka an’izany ho anao,+ sao ho voafandrik’izany ianao. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao mantsy izany.+

  • 2 Tantara 28:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Na dia efa nijaly aza i Ahaza Mpanjaka, dia vao mainka nivadika tamin’i Jehovah ihany. 23 Dia nanao sorona ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy+ naharesy azy izy,+ ka niteny hoe: “Manampy an’ireo mpanjakan’i Syria ny andriamaniny, ka mba hanao sorona ho an’ireny koa aho, amin’izay mba hampiany.”+ Lasa nitondra loza ho azy sy ny Israely rehetra anefa ireny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara