-
2 Tantara 25:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia novorin’i Amazia isaky ny fianakaviambeny ny Joda, ka ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato no nitarika azy ireo. Hoatr’izany no nataony tamin’ny Joda sy Benjamina rehetra.+ Dia nosoratany anarana izay 20 taona no ho miakatra,+ ka hitany fa miaramila 300 000 efa zatra ady* no azo alefa ao amin’ny tafika, sady mahavita mitana lefona sy ampinga lehibe.
-