-
Nehemia 7:70-72Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
70 Nanao fanomezana ho an’ilay asa+ ny sasany tamin’ireo lohan’ny fianakaviambe. Ireto koa no nomen’ny governora* mba hatao ao amin’ny tahiry: 1 000 drakma* volamena sy vilia baolina 50 ary akanjo lava 530 ho an’ny mpisorona.+ 71 Nanome 20 000 drakma volamena sy 2 200 mina* volafotsy ny sasany tamin’ireo lohan’ny fianakaviambe, mba hatao ao amin’ny tahiry hanaovana an’ilay asa. 72 Ny sisa tamin’ny vahoaka kosa nanome 20 000 drakma volamena sy 2 000 mina volafotsy, ary akanjo lava 67 ho an’ny mpisorona.
-