30 Dia nihazakazaka teo akaikin’ilay kalesy i Filipo ka naheno azy namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany. Ary hoy izy: “Azonao* tsara ve izay vakinao?” 31 Dia hoy izy: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Koa nangataka an’i Filipo izy mba hiakatra dia hipetraka teo akaikiny.