24 Avy eo dia nandefa solifara sy afo i Jehovah, ka nalatsany toy ny orana teo amin’i Sodoma sy Gomora ilay izy. Avy tamin’i Jehovah avy any an-danitra izany.+
22 Hampihatra ny didim-pitsarako aminy* aho, ka handefa areti-mandringana,+ ary handriaka ny ra. Handatsahako oram-be mahatonga tondra-drano izy sy ny miaramilany ary ny firenena maro miaraka aminy, sady handatsahako havandra+ sy afo+ ary solifara.+