FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 14:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana* mantsy ianao,+

      Ka manafina ahy mandra-pitonin’ny fahatezeranao!

      Ary raha mba misy fotoana mantsy efa noferanao ho ahy, mba hahatsiarovanao ahy!+

      14 Raha maty ny olona, dia ho velona indray ve?+

      Hiandry aho mandritra ny andro rehetra hanaovako asa an-terivozona,*

      Mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.+

  • Asan’ny Apostoly 13:34-37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Natsangany tamin’ny maty tokoa izy mba tsy ho lo intsony, araka ny nolazainy hoe: ‘Ho tia anareo aho ary tsy hivadika aminareo araka ny nampanantenaiko an’i Davida. Ary azo itokisana* izany fampanantenana izany.’+ 35 Izao koa no voalazan’ny salamo hafa: ‘Tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.’+ 36 Rehefa avy nanompo an’Andriamanitra* teo anivon’ny mpiara-belona taminy i Davida, dia nodimandry* ka nalevina any amin’ny razambeny, dia lo.+ 37 Fa ilay natsangan’Andriamanitra kosa tsy lo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara