-
Apokalypsy 7:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Taorian’izany, dia hitako fa ireo nisy vahoaka be tsy hita isa, avy tamin’ny firenena sy foko sy firazanana ary fiteny* rehetra.+ Nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo sady nanao akanjo fotsy lava,+ ary nisy sampana palmie teny an-tanany.+ 10 Dia niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo hoe: “Avy amin’ilay Andriamanitsika mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana,+ sy avy amin’ny Zanak’ondry,+ no ahazoanay famonjena!”
-