17 Dia nivavaka i Elisa hoe: “Jehovah ô, sokafy re ny masony mba hahitany e!”+ Avy hatrany dia nosokafan’i Jehovah ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy. Ary ireo fa feno soavaly sy kalesy afo+ ny faritra be tendrombohitra nanodidina an’i Elisa.+
10 Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra dia miaraka foana amin’ilay* Raiko any an-danitra.+