FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 2:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Be dia be ny olona ho any, ka hiteny hoe:

      “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,

      Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba.+

      Hampianatra antsika ny lalany izy,

      Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”+

      Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*

      Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+

  • Mika 4:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Be dia be ny firenena ho any, ka hiteny hoe:

      “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,

      Sy ho any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakoba.+

      Hampianatra antsika ny lalany izy,

      Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”

      Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*

      Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.

  • Zakaria 8:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hiverina ao Ziona aho,+ dia honina ao Jerosalema.+ Hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana*+ i Jerosalema, ary hatao hoe tendrombohitra masina ilay tendrombohitr’i Jehovah Tompon’ny tafika.’”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara