FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 4:17-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany, ary nosokafany ka notadiaviny izay nisy an’ilay soratra hoe: 18 “Ny fanahin’i Jehovah* no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy. Nirahiny aho mba hanambara hoe ho afaka ny babo ary hahiratra ny jamba. Nirahiny koa aho mba hanafaka sy handefa an’ireo ampahorina,+ 19 ary mba hitory ny taona fanehoan’i Jehovah* fankasitrahana.”+ 20 Nahorony ilay horonam-boky avy eo, dia naveriny tamin’ny mpikarakara ary nipetraka izy. Ary nijery tsara azy izay rehetra tao amin’ny synagoga. 21 Dia hoy izy: “Androany no tanteraka ilay andinin-teny vao henonareo teo.”+

  • Lioka 7:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Dia namaly azy roa lahy izy hoe: “Mandehana tantarao amin’i Jaona izao hitanareo sy henonareo izao: Lasa mahita ny jamba,+ mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina,+ atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.+

  • Asan’ny Apostoly 26:17, 18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary hamonjy anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18 Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony,+ ka hialany amin’ny haizina+ ho ao amin’ny mazava,+ ary hialany amin’ny fahefan’i Satana+ ho eo ambany fahefan’Andriamanitra. Amin’izay izy ireo hahazo famelan-keloka+ ary hahazo lova miaraka amin’ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara