35 Izao no lazain’i Jehovah,
Ilay manome ny masoandro mba hanazava amin’ny andro,
Sy manome lalàna mifehy ny volana sy ny kintana mba hanazava amin’ny alina,
Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina sy mampidoboka ny onjany,
Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon’ny tafika:+
36 “‘Raha sanatria ka tsy manan-kery intsony ireny lalàna ireny’, hoy i Jehovah,
‘Dia amin’izay ihany ny taranak’Israely vao tsy ho firenena eo anatrehako intsony.’”+