-
2 Tantara 34:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia nomen’ny mpanjaka an’izao baiko izao i Hilkia, sy Ahikama+ zanak’i Safana, sy Abdona zanak’i Mikaia, sy Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon’ny mpanjaka: 21 “Mandehana misolo tena ahy sy ny sisa amin’ny Israely sy Joda, ka anontanio i Jehovah momba an’izay voalaza ao amin’io boky vao hita io. Fa ho tezitra be amintsika i Jehovah, satria tsy nankatò ny tenin’i Jehovah ny razambentsika, ka tsy nanaraka an’izay rehetra voasoratra ao amin’io boky io.”+
-
-
Jeremia 39:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Koa nandefa iraka i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina, sy Nebosazbana Rabsarisa,* sy Nergala-sarezera Rabmagy,* ary ny manamboninahitra rehetran’ny mpanjakan’i Babylona, 14 mba haka an’i Jeremia tany amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ Dia natolony an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana,+ izy mba hoentiny any an-tranony. Koa niara-nonina tamin’ny vahoaka izy.
-