FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 16:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mifantoka amin’ny bika aman’endriny sy ny halavany,+ fa tsy izy ilay nofidiko. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso,* fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”+

  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo*+ sy amin’ny fo falifaly.* Mandinika ny fo rehetra mantsy i Jehovah,+ ary fantany daholo ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.+ Raha mahafoy azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.+

  • Ohabolana 17:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+

      Fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.+

  • Ohabolana 21:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Heverin’ny olona hoe mety daholo izay ataony,+

      Fa i Jehovah kosa mandinika ny fo.*+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara