-
2 Mpanjaka 23:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Nasain’ny mpanjaka nivoaka avy tao amin’ny tanànan’i Joda avy eo ny mpisorona rehetra. Ary nozimbazimbainy ny toerana avo nandoroan’ny mpisorona fanatitra mba hidona-tsetroka, hatrany Geba+ ka hatrany Beri-sheba,+ amin’izay dia tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Noravany koa ny toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna, izay eo ankavia raha miditra avy eo am-bavahadin’ny tanàna. 9 Tsy nanompo teo amin’ny alitaran’i Jehovah tany Jerosalema+ ny mpisoron’ny toerana avo, nefa nihinana mofo tsy misy lalivay niaraka tamin’ny rahalahiny ihany.
-