13 “Mitenena amin’ny Israelita hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.
2 Enina andro no azo iasana, fa ny andro fahafito kosa ho masina aminareo. Sabata fitsaharana tanteraka natokana ho an’i Jehovah izy io,+ ka hovonoina ho faty izay miasa amin’io andro io.+