FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ny fotoam-piasana eny am-pamoloana ho tratran’ny fiotazam-boaloboka, ary ny fiotazam-boaloboka ho tratran’ny famafazam-boa. Hihinana mofo ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina ao amin’ny taninareo.+ 6 Hataoko manjaka ao amin’ilay tany ny filaminana,+ ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo.+ Hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka, ary tsy hisy mpanafika hamely ny taninareo amin’ny sabatra.

  • Jeremia 23:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Hovonjena ny Joda+ ary hilamina ny tanin’ny Israely+ amin’ny androny. Ary izao no anarana hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.”+

  • Mika 4:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro izy,+

      Ka hanitsy* an’izay tsy mety eo amin’ireo firenena matanjaka any lavitra.

      Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo,

      Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+

      Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena,

      Sady tsy hianatra ady intsony.+

       4 Dia samy hipetrapetraka* eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy ireo,+

      Ary tsy hisy hampatahotra azy,+

      Satria i Jehovah* Tompon’ny tafika no efa niteny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara