FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 14:3-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tamin’izy nisakafo* tao an-tranon’i Simona boka, tany Betania, dia tonga ny vehivavy anankiray. Nitondra tavoahangy vatosanga feno menaka manitra lafo vidy be izy io, ary narda tena izy ilay menaka. Novakin’ilay vehivavy ilay tavoahangy, dia nararany teo an-dohan’i Jesosy ilay menaka.+ 4 Dia tezitra ny sasany ka nifampiresaka hoe: “Fa maninona no lanilanina fotsiny hoatr’izao iny menaka manitra iny? 5 Azo namidy 300 denaria* mahery izao iny menaka iny, dia nomena ny mahantra ny vola!” Dia sorena be tamin’ilay vehivavy* izy ireo. 6 Hoy anefa i Jesosy: “Avelao izy. Fa maninona no ataonareo an’izany izy? Tena tsara ny nataony tamiko.+ 7 Hisy mahantra foana mantsy eo aminareo,+ ka isaky ny te hanao soa amin’ireny ianareo, dia afaka manao an’izany, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.+ 8 Nanao izay azony natao izy, ka nandraraka menaka manitra tamin’ny vatako mba hanomanana mialoha ny fandevenana ahy.+ 9 Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ny vaovao tsara eran’izao tontolo izao,+ dia holazaina koa ny nataon’io vehivavy io, ho fahatsiarovana azy.”+

  • Jaona 12:1-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Enina andro talohan’ny Paska i Jesosy no tonga tao Betania. Tao no nisy an’i Lazarosy,+ ilay natsangany tamin’ny maty. 2 Koa nisy nanasa tamin’ny sakafo hariva i Jesosy tao. I Marta no nandroso sakafo,+ fa i Lazarosy kosa anisan’ireo nisakafo* niaraka tamin’i Jesosy. 3 Ary naka menaka manitra nilanja iray livatra* i Maria. Narda tena izy ilay menaka sady lafo vidy be. Dia nararany teo amin’ny tongotr’i Jesosy ilay izy, ary nohamaininy tamin’ny volony ny tongotr’i Jesosy. Lasa manitra be eran’ny trano, noho ny fofon’ilay menaka.+ 4 Hoy anefa i Jodasy Iskariota,+ anisan’ny mpianany, ilay efa hamadika azy: 5 “Fa maninona no tsy namidy 300 denaria* iny menaka manitra iny, dia nomena ny mahantra ny vola?” 6 Tsy noho izy miahy ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra. Izy mantsy no nitana ny boatim-bola, dia nangalariny foana ny tao anatiny. 7 Hoy i Jesosy avy eo: “Avelao izy, fa mba hanomanana ny andro handevenana ahy no anaovany an’izao.+ 8 Hisy mahantra foana mantsy eo aminareo,+ fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara