34 Nanao fanoharana foana i Jesosy rehefa niresaka an’izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Tsy niteny tamin’izy ireo tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana,+ 35 mba ho tanteraka izay nasaina nolazain’ny mpaminany hoe: “Hanao fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatrany am-piandohana.”+