FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Daniela 7:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “‘Ary nomena an’ireo olona masin’ilay Andriamanitra Fara Tampony ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra eny.+ Ny fanjakan’izy ireo dia fanjakana haharitra mandrakizay.+ Ary hanompo sy hankatò azy ireo ny fitondrana rehetra.’

  • Lioka 12:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 “Aza matahotra, ry ondry vitsy,+ fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana.+

  • 2 Timoty 2:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 ary raha miaritra foana isika, dia ho mpanjaka hiara-mitondra aminy.+ Fa raha mandà azy kosa isika, dia holaviny.+

  • Hebreo 12:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Hahazo Fanjakana tsy azo hozongozonina isika, ka andao àry isika hiezaka hatrany mba hanehoana hatsaram-panahy miavaka foana. Izany hatsaram-panahy miavaka izany mantsy no ahafahantsika manao fanompoana masina azony ekena, sady matahotra sy manaja azy ihany isika amin’izany.

  • Jakoba 2:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy izay heverin’izao tontolo izao hoe mahantra ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena amin’ny finoana,+ sy ho mpandova an’ilay Fanjakana nampanantenainy an’izay tia azy?+

  • Apokalypsy 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 ary nanao antsika ho fanjakana+ sy mpisorona+ ho an’ilay Andriamanitra Rainy, eny, ho azy mandrakizay anie ny voninahitra sy ny hery! Amena.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara