43 Rehefa avy niteny an’izany izy, dia niantso mafy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!”+ 44 Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, ary mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, sady nifono lamba ny tarehiny. Dia hoy i Jesosy tamin’ny olona: “Vahao izy, dia avelao handeha.”