-
Asan’ny Apostoly 11:5-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 “Tao an-tanànan’i Jopa aho tamin’izay. Nivavaka aho ary avy eo nahita fahitana. Nahita zavatra hoatran’ny lamba rongony lehibe nidina avy any an-danitra aho. Nampidinina tamin’ny zorony efatra ilay izy, ka tonga teo amiko.+ 6 Nijery tsara ny tao anatiny aho, dia nahita biby manan-tongotra efatra, sy bibidia, sy biby mandady, ary voro-manidina. 7 Henoko nisy feo koa niteny tamiko hoe: ‘Petera a, mitsangàna! Vonoy dia hano!’ 8 Fa hoy aho: ‘Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy niditra ny vavako mihitsy izay zavatra maloto na tsy madio.’ 9 Dia namaly fanindroany ilay feo avy any an-danitra hoe: ‘Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.’ 10 Ary nitranga fanintelony izany, dia nosintonina niakatra tany an-danitra indray ny zava-drehetra.
-