FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 26:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Ho velona ny olonao efa maty.

      Hitsangana ny fatin’ny vahoakako.*+

      Mifohaza ka mihobia,

      Ianareo izay mipetraka ao anaty vovoka!+

      Fa ny andonao dia ho toy ny andon’ny maraina,*

      Ary havelan’ny tany ho velona indray ny maty tsy mahavita na inona na inona.*

  • Matio 22:31, 32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Angaha mbola tsy novakinareo izay nolazain’Andriamanitra taminareo momba ny fitsanganan’ny maty, hoe: 32 ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.”+

  • Lioka 14:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Fa ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba kosa no asao,+ rehefa misy fanasana ataonao. 14 Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo. Ary hovaliana ianao amin’ny fitsanganan’ny+ marina.”

  • Jaona 5:28, 29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana* ny feony,+ 29 dia hivoaka izy ireo. Izay nanao ny tsara dia hatsangana mba hahazo fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana mba hotsaraina.+

  • Jaona 11:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.+ Izay maneho finoana ahy, na maty aza, dia ho velona indray.

  • Hebreo 11:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ny vehivavy sasany kosa nandray ny havany natsangana tamin’ny maty.+ Ny olona hafa indray nampijalijalina satria tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, amin’izay izy ireo hahazo fitsanganana tsara kokoa.

  • Apokalypsy 20:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Nisy horonam-boky iray koa anefa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana.+ Dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky ireo ny maty, arakaraka izay nataon’izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara