FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Efesianina 1:9-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 rehefa nampahafantariny antsika ilay zava-miafina masina+ momba ny sitrapony. Mahafinaritra azy izany zava-miafina izany, sady mifanaraka amin’ilay fikasany, 10 dia ny hoe hanisy fitantanan-draharaha* rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Amin’izay dia hangonina ho ao amin’i Kristy daholo ny zava-drehetra, izany hoe ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.+ 11 Tafaray aminy izahay sady nofidina mba ho mpiara-mandova aminy.+ Izahay mantsy efa notendrena mialoha araka ny fikasan’Ilay manatanteraka ny zava-drehetra araka izay tiany sy mifanaraka amin’ny sitrapony. 12 Amin’izay dia hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra izahay, fa izahay no voalohany nanantena an’i Kristy.

  • Kolosianina 1:26, 27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 anisan’izany ilay zava-miafina masina+ nafenina efa hatramin’ny fotoana nisian’izao tontolo izao*+ sy hatramin’ireo taranaka tany aloha. Efa naharihary tamin’ny olony masina kosa anefa ilay izy izao.+ 27 Ary tian’Andriamanitra hampahafantarina azy ireo ilay zava-miafina masina,+ izay harena be voninahitra, sady tiany hampahafantarina eo amin’ireo firenena koa. Ilay zava-miafina dia hoe tafaray aminareo i Kristy, izany hoe manantena ianareo fa homem-boninahitra miaraka aminy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara