-
Matio 18:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany.*+ Raha mihaino anao izy, dia efa nahatafarina ny rahalahinao ianao.+ 16 Raha tsy mihaino kosa izy, dia mitondrà olona iray na roa miaraka aminao, mba ho azo antoka ny zava-drehetra, noho ny tenin’ny* vavolombelona roa na telo.+ 17 Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao+ sy toy ny mpamory hetra.+
-