-
1 Korintianina 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Toy izany koa fa nanome didy ny Tompo hoe tokony hivelona amin’ny vaovao tsara izay mitory ny vaovao tsara.+
15 Tsy nisy nampiasaiko anefa izany zo izany.+ Ary tsy hoe nanoratra an’ireo zavatra ireo aho mba hanaovana an’izany amiko, fa aleoko aza maty toy izay... Fa tsy misy olona havelako hanafoana ny antony ireharehako!+
-
-
2 Korintianina 11:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa teo aminareo anefa aho ary tao anatin’ny tsy fisiana, dia tsy lasa enta-mavesatra na ho an’iza na ho an’iza, satria nanome izay nilaiko ireo rahalahy avy eto Makedonia sady nanome ahy be dia be.+ Tena niezaka aho mba tsy ho enta-mavesatra ho anareo tamin’ny lafiny rehetra, ary mbola hiezaka hanao an’izany foana aho.+
-