4 Dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?
Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?+
5 Nataonao ambany kely noho ny anjely izy,
Ary nosatrohanao haja amam-boninahitra.
6 Nomenao fahefana hanjaka amin’ny asan’ny tananao izy;+
Nataonao eo ambany tongony ny zava-drehetra: