FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 15:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Raha misy lasa mahantra ny rahalahinao ao amin’ny tanànanao anankiray, ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza mafy fo na kahihitra amin’ilay rahalahinao mahantra.+ 8 Fa tena tokony halala-tanana* aminy ianao,+ ka hampindrana* azy an’izay ilainy na izay tsy ananany.

  • Lioka 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Namaly izy hoe: “Izay manana akanjo anankiroa,* dia aoka hanome ho an’izay tsy manana, ary izay manan-kohanina, dia aoka hizara ho an’izay tsy manana.”+

  • Romanina 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Mba anomezo amin’izay anananareo ny olona masina, araka izay ilainy.+ Miezaha ho tia mandray vahiny.+

  • Jakoba 2:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manana akanjo* sady tsy ampy sakafo isan’andro, 16 ary misy aminareo miteny aminy hoe: “Mirary soa e! Enga anie ianareo hafana sy ho voky tsara foana!”, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, dia inona moa ny soa azo avy amin’izany?+

  • 1 Jaona 4:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Raha misy miteny hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, nefa izy mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga.+ Fa izay tsy tia ny rahalahiny+ izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara