-
2 Tantara 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Avy eo dia naka an’ireo babo ireo ny olona voatonona anarana. Dia nomeny akanjo tamin’ny zavatra azo babo izay rehetra tsy niakanjo. Nomeny akanjo sy kapa izy ireo, sady nomeny sakafo sy rano hosotroina ary menaka hahosony amin’ny hoditra. Dia nampitaingeniny ampondra izay kely aina, ka nateriny tany amin’ny rahalahiny tany Jeriko, tanàna be hazo palmie. Niverina tany Samaria izy ireo taorian’izay.
-