23 Dia nankao an-tranon’i Bala i Jeho, niaraka tamin’i Jonadaba+ zanak’i Rekaba. Ary hoy izy tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala: “Jereo tsara ka hamarino sao misy mpivavaka amin’i Jehovah tafaraka aminareo ato, fa mpivavaka amin’i Bala ihany no tokony ho ato.”+