-
“Nahazo Sitraka Tamin’Andriamanitra Izy”Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 1
-
-
TENA ela velona i Enoka. Sarotra amintsika angamba ny hino hoe nahatratra 365 taona teo ho eo ny andro niainany. Avo efatra heny noho ny halavan’ny androm-piainantsika amin’izao izany. Tsy tena mbola antitra anefa izany, tamin’ny androny. Ela velona be mantsy ny olona, 5000 taona mahery lasa izay. Efa 600 taona mahery, ohatra, i Adama, ilay lehilahy voalohany, tamin’i Enoka teraka. Mbola velona 300 taona i Adama taorian’izay. Ela velona noho izany aza ny taranany sasany. Mety ho mbola navitribitrika àry no fahitana an’i Enoka tamin’izy 365 taona, hoatran’ny hoe tanora vao herotrerony. Folaka an-dantony anefa izy.
-