FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mahita Kalesy Afo toa An’i Elisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Aogositra
    • INONA NO HITAN’I ELISA?

      Neken’Andriamanitra ve ny fangatahan’i Elisa? Izany tokoa! Hoy ny Baiboly: “Raha mbola nandeha izy ireo, sady niresaka teny am-pandehanana, dia nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy. Ary niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia. Nahita izany rehetra izany i Elisa.”a Nahita ny nakana an’i Elia hiala taminy àry i Elisa, ka nahazo anjaran’olon-droa tamin’ny fanahy niasa tamin’i Elia ary lasa mpaminany nandimby an’i Elia.—2 Mpanj. 2:11-14.

  • Mahita Kalesy Afo toa An’i Elisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Aogositra
    • Nisy vokany lalina teo amin’i Elisa ny zavatra hitany rehefa niakatra tao anaty tafio-drivotra i Elia. Tsy fahita firy mantsy izany kalesy afo sy soavaly afo izany! Voaporofo fa neken’i Jehovah ny fangatahan’i Elisa. Marina fa tsy mahita kalesy afo sy soavaly afo isika, rehefa mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah. Mahita porofo mazava anefa isika hoe mampiasa hery lehibe izy mba hanampiana antsika sy hanatanterahana ny sitrapony. Rehefa hitantsika koa hoe tahin’i Jehovah ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany, dia toy ny hoe hitantsika mandroso ny kalesiny any an-danitra.—Ezek. 10:9-13.

  • Mahita Kalesy Afo toa An’i Elisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Aogositra
    • a Tsy hoe niakatra tany amin’ny lanitra fonenan’i Jehovah sy ny anjely i Elia. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1997, pejy 15.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara