FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Manao ny Sitrapon’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
    • Fihazonana ny fifaliana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra

      I Davida Mpanjaka teo amin’ny Isiraely fahiny dia olona iray nikatsaka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny fiainany manontolo. Na dia teo aza ny zava-tsarotra sy ny fanerena maro tonga taminy, dia nahazo tsindrimandry izy mba hanoratra toy izao: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Salamo 40:8). Anisan’ny tenan’i Davida mihitsy, tao amin’ny maha-izy azy mihitsy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Izany no tsiambaratelon’ny fifaliana tsy nety lefy nananany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy zava-tsarotra tamin’i Davida. Fahafinaretana kosa izany, zavatra izay avy tao am-pony. Niezaka mafy nanao izay faran’ny azony natao izy nandritra ny fiainany manontolo mba hanompoana an’i Jehovah Andriamaniny, na dia nanota aza izy indraindray ka tsy nahomby.

      Indraindray dia mety hihena ny fifaliantsika. Mety hanjary reraka na kivy isika. Angamba mbola mitera-java-manahirana ho antsika ny zava-nitranga tamin’ny lasa, ny feon’ny fieritreretantsika manelingelina antsika noho ny fahadisoana natao tamin’ny lasa ela. Matetika, dia azontsika resena ireny fihetseham-po ireny amin’ny fianarana lalina kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mametra ho zava-kendrena ny hanoratra ny lalàn’Andriamanitra ao ‘anatintsika’ isika, toy ny nataon’i Davida. Raha miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fanahintsika rehetra isika, izany hoe, araka izay faran’ny azontsika atao, dia hamaly soa antsika noho izany izy satria izy dia mahatoky. — Efesiana 6:6; Hebreo 6:10-12; 1 Petera 4:19.

      Mahaliana ny manamarika fa ao amin’ny Hebreo 10:5-7 dia nanonona ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 40:6-8 ny apostoly Paoly ary nampihatra izany tamin’i Jesosy Kristy. Nanintona ny saina ho amin’ny naha-akaiky an’i Jesosy tamin’ny Rainy i Paoly rehefa nanao izany. Ny teny hebreo hoe “sitrapo” dia manana hevitra hoe ‘haravoana, faniriana, sitraka na fahafinaretana’. Noho izany, dia izao no azo vakina ao amin’ny Salamo 40:8 (NW ) mikasika an’i Kristy: “Ny hanao izay mahafinaritra anao, ry Andriamanitro ô, no maharavoravo ahy.”a I Jesosy dia naniry hanao izay nahafinaritra ny Rainy. I Jesosy dia nanao nihoatra noho izay nangatahina taminy. Nanao izay zavatra akaikin’ny fon’ny Rainy izy, ary nahita fifaliana nanao izany.

      Ny fiainan’i Jesosy manontolo dia nihodinkodina teo amin’ny fampianarana ny hafa izay sitrapon’Andriamanitra sy izay tsy maintsy ataon’izy ireny mba hahazoana ny fitahian’Andriamanitra. Mpitory sy mpampianatra manontolo andro izy ary nahita fifaliana lehibe tamin’ny fanaovana izany asa izany. Noho izany, dia ara-dalàna ny handraisantsika fifaliana bebe kokoa arakaraka ny hanaovantsika bebe kokoa ny asan’i Jehovah. Azonao atao koa ve ny manompo manontolo andro amin’ny asa fitoriana mba hitomboan’ny fifalianao koa?

  • Manao ny Sitrapon’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Martsa
    • a Jereo ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Salamo 40:8 (NW ).

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara