FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Oktobra
    • I Melkizedeka mpanjaka sady mpisorona dia nampiseho ara-paminaniana Ilay ho Mpisoronaben’Andriamanitra Avo Indrindra sady mpiady mahery tohanan’ilay Andriamanitra Ambony Indrindra. Ny Salamo faha-110, nosoratan’i Davida mpanjaka mpiady teo ambany tsindrimandry, dia miresaka amin’Ilay lehibe kokoa noho i Melkizedeka tao Salema rehefa nilaza hoe: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao. Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka. Ny Tompo [Jehovah, MN ] eo an-kavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany.” — Salamo 110:2, 4, 5.

      13. Ampahafantarina ho iza moa ilay lehibe noho i Melkizedeka taloha ao amin’ny Hebreo toko faha-7 sy faha-8, ary tao amin’ny toerana mendri-kaja inona no nidiran’izy io, nitondra karazana fanatitra inona?

      13 Nampahafantatra ny maha-izy an’Ilay tena nandefasana ireo teny ireo ny mpanoratra nahazo tsindrimandry ny bokin’ny Hebreo rehefa niteny hoe: “Tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe ‘mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka’ Izy.” (Hebreo 6:20.)

  • Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Oktobra
    • 17. Iza no hirahin’i Jehovah mba hiady ho an’ny anarany, ary inona no hasehony amin’ireo firenena rehetra ankehitriny amin’izany?

      17 Amin’ny fotoana mety, i Jehovah Andriamanitra dia haniraka an’i Jesosy Kristy, ilay Melkizedeka Lehibe, amin’ny maha-mpiady mahery. Amin’ny alalany no hanaovan’i Jehovah anarana ho an’ny tenany mihoatra noho izay rehetra mety ho voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Adin’i Jehovah tamin’ny lasa sy ny ao amin’ny Soratra Hebreo amin’ny Baiboly Masina.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara